airtel

Actualités

28-mars-2023

Actualités

Olan’ny orinasa SECREN “Tsy fampiharana fitsinjaram-pahefana no antony”

Sample post image

Miezaka mampahafantatra ny vinam-piarahamonina hahafahana mampandrosoana an’i Madagasikara ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM amin’ny fitetezam-paritra ataony, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo.

28-mars-2023

Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohan’ny antoko, Hajo Andrianainarivelo, izay namoaboasana ny hoe « Fitsinjaram-pahefanana eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny toekarena » tao amin’ny Hotel de la poste ny faran’ny herinandro teo. Tsapan’ny mpizaika fa vokatry ny tsy fampiharana araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana no mahatonga ny olan’ny orinasa SECREN, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ny fahalalahan'ny olompirenena mandraharaha sy mandray andraikitra dia endriky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny mahaolona izay imasoan'ny fotokevitra “démocrate centriste”, hoy ny MMM. Ilaina ihany koa ny fahaizana "négociation" na fandresen-dahatra sy "planification" na fametrahana paikady ho an'ny mpitarika isan'ambaratongany hisarihana ireo mpampiasa vola ka hiteraka asa ho an'ny isan-tokantrano. Resy lahatra amin'izany isika ka nametraka ny “Institut National de la Décentralisation et du Développement Local” na INDDL mba ahafahan'ny olom-boafidy sy olom-boatendry manamafy ny fahaiza-manaony ary ho azo antoka eo anatrehan'ny mpiara-miombon'antoka rehetra. Ireo no lohahevitra noresahanay teto Antsiranana nandritra ny famelabelaran-kevitra sy adihevitra, hoy hatrany ny MMM.
(Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap