airtel

Actualités

29-avril-2025

Olan’ny tsena ao Antehiroka

Nifanekena ny hampidirana ny mpivarotra rehetra anaty tsena

Sample post image

Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,

29-avril-2025

Toky Harilanto Andrianarivelo, dia nilaza ny solontenan’ireto mpivarotra ireto fa maneho fisaorana ny ben’ny tanàna izy ireo noho ny fanekeny hihaino ny hetahetan’izy ireo. Nifanarahana, hoy ireto mpivarotra ireto, fa ho ampidirina anaty tsena avokoa ny mpivarotra rehetra fa tsy misy mahazo mivarotra intsony amoron-dalana. Ekena ny tsy hisiana mpanelanelana ny tsena toy ny mpivarotra lamba aty ambadika sy mpivarotra voankazo amin’ny sisin-dalana. Miara-miditra anaty tsena ny mpivarotra rehetra. Angatahina, hoy hatrany ny solontenan’ireo mpivarotra, ny tsy hanisiana sendikan’ny tsena intsony fa aleo ny ben’ny tanàna no sady lehibenay no reny mpiahy anay. Angatahana ny handravana ny tsena ambony rihana mba hahafahan’ny rehetra miditra sy hampazava ny tsena. Tsy nahitàna vokany, hoy izy ireo, ny fisian’ny fikambanan’ny mpivarotra hatramin’izay fa miteraka savorovoro eo amin’ny samy mpivarotra. Raha misy grevy dia ny lehiben’ny tsena no mitondra tatitra any amin’ny kaominina. Rehefa nandeha ny nefa ny fandaminana mikasika ny kaominina teo dia tsy nahazo vaovao marina mihitsy ny mpivarotra. Misy ny mbola nivarotra amoron-dalana, misy ny tsy nivarotra. Tsy nekenay izany, hoy hatrany izy ireo, satria mampalahelo ireo tsy afaka nivarotra. Niara-nanamafy moa ny teo anivon’ny kaominina sy ireto mpivarotra ireto fa nifanekena ny hampidirana ny mpivarotra rehetra anaty tsena.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap