Reny mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tena, hoy ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo no sady filohan’ny fikambanana Manampy, Ollie Ratsisetraina. Laharam-pahamehana, hoy izy, ny fisian’ny vehivavy eo amin’ny firenena. Tokony omena toerana sahaza azy eo amin’ny fampandrosoana ny vehivavy. Efa ela isika no nandala izany atao hoe miralenta izany. Ankehitriny dia mbola averina ny antso hoe mila miditra mandray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoam-pirenena ny vehivavy. Nisy fotoana izahay niaraka tamina mpamatsy vola, nikarakara sy namolavola lalàna, alohana lalàna na «avant projet de loi» moa izany raha ny marimarina kokoa. Tsy hay moa izao hoe aiza ho aiza fa ohatran’ny niova ny lalan’ilay izy. Tsy inona moa io fa ny mikasika ny fametrahana ny vehivavy amina toerana hanapahana hevitra. Raha eny amin’ny sehatry ny olom-boafidy na olom-boatendry na asa tsotra dia mbola tsy ampy ny isan-jaton’ny vehivavy amin’ireny toerana ireny. Mbola ady ny hoe tokony mba mametraka vehivavy betsaka anatin’ireny toerana manapa-kevitra ireny. Ny tombony amin’izay dia ny fanomezan-danja tanteraka ny vehivavy. Tsy natao fotsiny hoe fanaka malemy ny vehivavy. Any amin’ny faritra sasany moa dia fomba ny hoe tsy mahazo mandray andraikitra ny vehivavy fa natao ho any an-dakozia na manompo lehilahy. Misy vehivavy tena manam-pahaizana sy mahay mitantana. Vehivavy aho izao dia mahita hoe na renim-pianakaviana izy na variana amin’ny fianakaviana na zanany sy inona izy dia mahavita tsara koa ny andraikiny any amin’ny toerana misy azy. Betsaka ny vehivavy miara-miasa amiko ary hitako hoe mahavita kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa