airtel

Actualités

12-mars-2025

OLONA NAVADIKY NY LAKANA TETSY IKOPA

Tsy mbola fantatra izay tena isany, tovovavy iray no hita omaly

Sample post image

Tsy mbola nety fantatra hatramin’ny omaly Talata 11 Martsa ny isan’ireo olona hamonjy

12-mars-2025

fodiana ao Ankazotoho Anosimahavelona navadiky ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny Karana ampitan’ny Shell afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 06 ora mahery. Vatana mangatsiakana tovovavy iray vao 24 taona no hitan’ny sampana mpamonjy voina omaly raha vao maraimbe izy ireo dia efa tonga nanao ny asany teny an-toerana indray. Fantatra fa niaraka tamin’ny vadiny ity vehivavy ity. Teny ambony lakana anefa dia voalaza ho niverina ilay lehilahy vadiny noho ny fanadinoany ny ody ambavafon-janany kely. Tafasaraka izy roa vokatr’izany izay nitohy hatramin’izao fisarahana aman-tany izao mihitsy. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa moa ny isan’ireo olona latsaka an-drano afaka nanavotra ny ainy. Ny hany fantatra raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamonjy voina dia nanao taingimbe ilay mpitondra lakana. Ny andro rahateo efa hariva ka samy maika hamonjy fodiana avokoa ny tsirairay. Tsy mbola nisy fianakaviana nanao fitarainana ankoatra ilay lehilahy tafasaraka tamin’ny vadiny io moa hoy hatrany ny vaovao azo. Nanampy ny sampana mpamonjy voina tamin’izany ny Polisy nasionaly sy ny Polisy monisipaly izay efa niasa hatramin’ny afak’omaly Alatsinainy hatramin’ny 10 ora mahery tany ho any.
Pati
Legende : Ity ilay tovovavy hitan’ny sampana mpamonjy voina omaly !

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

anarana biometrika i Madagasikara

Card image cap
13-janv-2026

Raim-pianakaviana. iray vao 22 taona

Card image cap
09-janv-2026

sy sarany tena sahaza ireo manam-pahaizana!»

Card image cap