Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia maro amin’ireo kaominina manodidina no mbola manana olana amin’izany toy ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia mpifindra monina avy any ambanivohitra sy olona matahotra miditra birao ny ankamaroan’izy ireny hany ka lasa olon’olom-poana sy tsy afaka misitraka ny zo ny ankamaroan’ireo ankizy madinika. Mba ho fitsinjovana azy ireny indrindra dia ankizy sy olon-dehibe miisa 160 no omen’ny kaominina kopia amin’ny tapaky ny volana Jolay ho avy izao. Efa nanomboka tamin’ny volana Martsa ny fanangonana ny anaran’izy ireny teny anivon’ny Fokontany sy ny fikarakarana nataon’ny fitsarana ka anisan’ireny ny fizaham-pahasalamana nataon’ny dokotera. Tsy handoavam-bola moa izany fa maimaim-poana. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ny mba hahafahana manampy ireo kilonga madinika hisitraka ny zony indrindra fa ny fahafahany miditra an-tsekoly raha ny mba hahazoany karapanondro sy hahafahany manao ireo adidy tokony hatao kosa ho an’ireo efa feno taona.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanànan’Alasora Randriantsoa Jimmy, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa