Araka ny tatitry ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza omaly tolakandro, miisa 5 ny namoy ny ainy, ka ny iray tranga vaovao tany Benenitra izay nisian’ilay fahafatesan’olona 11 sy nanjavonana olona maro vokatry ny rano trambo vao andro vitsy izay. Nisy kosa ny tranga 2 avy teto Antananarivo sy tany Mandoto, izay namoizana ain’olona roa avy. Tafakatra 3 564 ny traboina, izay avy amin’ny fianankaviana 1 362 eo nanerana ny nosy. Ny 305 amin’ireo no nafindra toerana, ka ny 235 tany Toamasina avokoa. Mahatratra 1 206 ihany koa ny toeram-ponenana dibo-drano, ka 6 no rava. 25 ny efitranon-tsekoly nisy fahasimbana, 41 ny rava tamin’ny ampahany, ary 40 rava tanteraka.
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.