Efa io 120 MW io miaraka amin'ny herinaratra vokarin'ny milina faha-efatra na G4 izay anaty andrana ny vokatra avy any an-toerana. Tafapetraka ihany koa ny vata mpanova herinaratra eny Ambohimanambola, izay nambara fa hanampy betsaka amin'ny fanapariahana herinatra eto amin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo ny fametrahana ireo vata mpanova herinaratra roa lehibe ao amin'ny foibem-pihaonan'ny Tambazotra Antanananarivo (Poste d'interconnections d'Antananarivo). Hihatsara araka izany ny tanjaky ny vokatra hatolotra ny mpanjifa raha ny fanazavan'ny tale lefitry ny Tombana sy Fampandrosoana eo anivon'ny orinasa Jirama. Anisan'ny antony nametrahana ireto vata mpanova herinaratra ireto raha ny fanazavana hatrany ny fanavaozana ireo efa tranainy. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa PAGOSE (Projet d'amélioration de la gouvernance et des opérations dans le secteur d'énergie) izay iaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena izao moa io fanavaozana io. 90MW, izany hoe 3 × 30MW ny tanjak'ireo milina tao Ambohimanambola teo aloha. Ny herinandro lasa teo kosa no nanomboka ny andrana fampiodinana ireto vata mpanova herinaratra ireto izay natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 desambra lasa teo. Havaozina tsy ho ela ireo milina teo aloha ary hafindra eny amin'ny « sous-station Tanà-Nord, Antananarivo ». Miandry ary manantena vahaolana maharitra manoloana ny delestazy ny mpanjifa.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa