Raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana anefa dia ilana fahaizana manokana ny resaka otra fa tsy hataotao foana. Ho azy ireo manokana ohatra dia karazana otra miisa telo nanaovany fandalinana narahin’ny fanomezam-pahasoavana efa nananany no hampiharin’izy ireo amin’ireo marary tonga ao aminy. Anisan’ny tena talentan’izy ireo ohatra ny resaka « nerf sciatique » izay nomarihiny manokana fa tsy sitram-panafody mihitsy raha tsy amin’ny alalan’ny otra irery ihany. Amin’ny alalan’ny otra ihany koa no hitsaboan’izy ireo ireo olona manana olana amin’ny rivotra anaty kibo, vavony…..Hampiarahiny amin’ny vokatra natoraly ny otra tahaka izao raha araka ny fanazavany hatrany ho an’ireo tsy maintsy mila izany.
Pati
Legende : Ilana fahaizana manokana ny fanorana
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa