Ny havizanana ihany koa anefa dia anisan’ny antony tokony hanatonana mpanoratra raha araka ny fanazavan’i Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Ankoatra ireo hozatra mivonkona mety hohafahany mantsy dia manaitaitra ireo taova ao anaty mba hiasa ihany koa ny otra raha araka ny fanazavany hatrany. Na izany aza anefa dia nomarihiny kosa fa misy ireo aretina tena ilana fahaizana raha entina any amin’ny mpanoratra. Ho an’ny tosi-dra miaka-midinabe ohatra dia nomarihiny fa tena misy faritra tsy azo kitihina ao amin’ny vatan’ilay olona marary ka ireo mpitsabo nanao fikarohana irery ihany no mahalala izany. Ho an’ireo tratran’ny nerf aciatique indray anefa dia notsindriany manokana fa ny otra irery ihany no manasitrana na hihinana karazam-panafody hafarana avy any am-pitandranomasina aza ilay marary. Ny otra koa hoy izy dia afaka manampy ireo vehivavy sy lehilahy manana olana amin’ny resaka taovam-pananahana….
Pati
Legende : Manasitrana aretina maro ny otra hoy Mandimbison Rija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa