airtel

Actualités

10-nov-2022

Actualités

Paquebot Hanseatic Spirit Tafaverina omaly, mitondra mpizahatany 189

Sample post image

Araka ny fandaharam-potoanany efa voafaritra, nigadona tao amin'ny seranantsambon'i Toamasina omaly alarobia 09 novambra 2022 ny sambo goavana na paquebot "Hanseatic Spirit",

10-nov-2022

izay niala tany La Réunion afak’omaly hariva naka ireo mpizahatany andiany faharoa miisa 189 entiny, izay mpizahatany ao anatin’ilay sokajy antsoina hoe: “VIP”, izany hoe ireny mpanao "tourisme de luxe" ireny. Tsara ny manamarika, fa efa nisy ireo andiany voalohany 165 nentin’ity sambo ity, ka tany Maroantsetra, Nosy Mangabe, Masoala no namaranan’izy ireo ny diany ny herinandro teo, ka niverenan’ny sambo naka ny mpizahatany andiany manaraka indray, izay hiantsona amin’ny toerana miisa 6 ahitana toeram-pizahantany mahaliana. In-telo handalo any Toamasina ity sambo be ity mandra-pahatapitr'ity taona 2022, dia io omaly 09 novambra io, ny 21 novambra, ary 06 desambra. Toy ny efa fanaon'ny mpandraharaha ara-pizahantany dia ny fitsidihana ny tanàna, ny canal des Pangalanes, ny valan-jababoary Ivoloina, ny ao Bazar-Be, no tolotra aroso an'ireto mpizahatany ireto,… raha ho an’I Toamasina. Omaly hariva ihany dia nanohy ny diany niazo any Sainte-Marie I Hanseatic Spirit sy ny mpandehany. Ankoatra an’ity Hanseatic Spirit, dia tsiahivina hatrany fa manao fihodinana aty amintsika ihany koa ny sambo Europa 2, ka tany Taolagnaro izy ny faran’ny herinandro teo. Raha niato nandritra ny taona 2020 sy 2021 ny "tourisme de croisière" amin’ny alalan’ny sambo goavana tahaka itony, dia izao miverina tsikelikely izao indray, ka afaka hampiasa mpandraharaha amin'ny sehatra maro mpiseradia, mpanofa fiara, mpahandro sakafo, mpanao asa tànana, mpitondra cyclopousses sy tuc tuc, Tours opérateurs, agences de voyage,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap