airtel

Actualités

28-juil-2022

Actualités

Pasipaoro elektronika Manao atso tolo-barotra ny Fanjakana

Sample post image

Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly 27 jolay 2022 ny firosoana amin'ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena malagasy.

28-juil-2022

Tapitra amin ny taona 2023 mantsy ny fifanaraham-piarahamiasa naharitra 10 taona nataon'ny Fanjakana Malagasy tamin 'ny orinasa vahiny SEMLEX Europe S.A. izay nahazo tsenan’asam-panjakana taloha nanamboatra ny pasipaoro malagasy. Tamin ny taona 2006 no natao io fifanaraham-piarahamiasa io, naharitra 9 taona izany tany am-piandohana, nitarina l0 taona fanampiny indray ny taona 2013, izay nirosoana rahateo tamin’ny fanaovana ny pasipaoro elektronika ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fenitra ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ny Fanjakana. Ho tapitra io fifanaraham-piarahamiasa amin'ny orinasa SEMLEX Europe S.A. io dia tsy maintsy nirosoana ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena vaovao hijerena izay orinasa vaovao hanamboatra indray ny pasipaoro eletronika malagasy manomboka ny taona 2023, hoy hatrany ny Fanjakana ankehitriny. Ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka moa no miantsoroka ny resaka pasipaoro.
Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap