Razana iray no hitan’ny polisim-pirenena raha olona roa kosa no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto an-drenivohitra nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska teo. Miisa 51 ireo loza nitranga nandritra izany ka ny 31 isa naharatrana olona avokoa. Miisa 17 tamin’ireo olona tao anatin’ireo fiara ireo kosa no naratra ka anisan’izany ny tao anatin’ilay fiara nentina mpamily iray mamo. Miisa 18 ny loza nahasimban-javatra. Mikasika ireo tranga hafa dia mitontaly 256 isa ireo olona voasambotra ka ny iray nanatanteraka halatra miaro herisetra nampiasa fitaovam-padiana toy ny antsy. Miisa 09 kosa ireo nanao halatra niaro vaky trano, 29 ny halatra miaro fanendahana, miisa 14 ireo tratra nidoroka zava-mahadomelina, miisa 13 ireo halatra saika niseho nefa voasoroka. Miisa 91 kosa ireo olona noahiahiana ka nosavaina raha 79 isa ireo mamo sy niady teny an-dalambe. Mitotaly 5.039 isa raha tsiahivina ireo Polisy nahetsika nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska farany teo.
Pati
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny