airtel

Actualités

10-nov-2022

Actualités

Pastera mpanolana Mila mitandrina hatrany ny mpino, misy ireo misandoka

Sample post image

Misy ireo pastera, raiamandreny ara-panahy heverina ho tena raiamandreny amin’izao nefa mahavita mivadika.

10-nov-2022

Anisan’izany ilay pastera avy amin’ny fiangonana zandriny iray nahavita nanolana ireo tovovavy kely mpino ao aminy ka efa naiditra am-ponja vonjimaika. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko, omaly. Nambarany fa tokony hitandrina hatrany ny mpino. Olombelona nofo aman-dra ihany mantsy ny pastera hoy izy ka mety ho latsaka indraindray. Na izany aza anefa dia notsindriany ihany koa fa misy ireo ambodia mitafy hodi-janak’ondry. Tsy tena pastera hoy izy fa misandoka fotsiny ka ilana fitandremana. Miantso ny mpino rehetra mba hahay hanavaka tsara ny vary sy ny tsiparifary araka izany ny tenany hialana amin’ny fitaka. Marihina hatrany moa fa ambonimbony kokoa noho ny an’ny olon-tsotra nanolana ny sazy mahazo ireo heverina ho Ray aman-dReny manolana ireny. Tafiditra ao anatin’izany ny pastera….izay marihina fa olona tokony hanabe sy hanome maodely tsara nefa manararaotra sy mamotika ny fiainan’ny hafa.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap