airtel

Actualités

10-mai-2023

Actualités

Paul Rabary «Voaozona isika…»

Sample post image

Rehefa tsy ny tanora no manao politika dia ny hafa no manao ary miaritra ny tanora, hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

10-mai-2023

Tsy resaka vahaolana mahagaga na «miracle» io, hoy izy, fa mila tsapan’ny tanora fa ny fiainany dia politika ary ny politika iankinan’ny fiainany. Ny tanora no tena nibaby ny vokatry ny politika teto Madagasikara ka mila manao politika izy raha tiany hiova ny fiainany. Tsy afa-miala amin’ny famatsiana iraisampirenena isika hatreto. Diso ny filazana fa hahavita tena samirery isika aloha. Ny politikam-panjakana dia tokony entina hamaritra hoe afaka 10 na 15 taona dia tokony tsy hiankin-doha intsony isika. Misy asa takiana ao ambadik’izany ka raha tsy mametraka izay tanjona izay isika dia mijanona amin’izao. Nanomboka ny taona 1987 tany ho any isika no nanomboka niditra tamin’ity trosa miavosa sy mampahantra ity. Voaozona isika ka anjarantsika no mametraka teti-panorona sy paikady ialana amin’izany. Tsy misy afa-tsy miisa 3 no lalana. Voalohany ny fifehezana ny jono an-dranomasina. Faharoa ny fifehezana ny harem-pirenena eto Madagasikara. Fahatelo ny fananan’i Madagasikara politika mampandroso ny fizahantany eto amintsika ka hampidi-bola be ho an’ny firenena. Ireo no lalana ialantsika amin’ny trosa miavosa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-oct-2026

Tsy nandray ny toerany i Jean-Marc Razakazafy

Card image cap
30-oct-2026

Niverina an’i am-ponja ny

Card image cap
30-oct-2026

Hanasongadina ny

Card image cap
30-oct-2026

Nanitatra ny fiahiany ireo

Card image cap
29-oct-2026

Potehina i Gilles Daheron,

Card image cap
29-oct-2026

Nomen'ny HCC fahefana hanenjika ny PAC

Card image cap