airtel

Actualités

30-oct-2023

PHO Resto Bel'Air

Niharana firehetana ihany koa

Sample post image

Taorian’ireo antsojay hafa maro nihatra tamin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana voalohany na N°1,

30-oct-2023

Tahina Razafinjoelina sy ireo mpanaradia azy, isan’izany ny vakitrano nihatra tamin’ny foiben-toeran’ny vovonana politika Firaisankinan’ny Tia tanindrazana na FTT sy ny fandratrana tomponandraikitr’ity vovonana ity tany amin’ny faritany dia niharana firehetana koa ny alin’ny 27 oktobra teo ny ampahany amin'ny trano fisakafoana PHO Resto Bel'Air etsy Ampandrana, Antananarivo. May tanteraka tsy nisy azo noraisina ny lakozia sy ny toerana hafa manakaiky azy, raha ny angom-baovao voaray. Tao ihany koa no tombanana fa niandohan'ny afo. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny anton’ny firehetana fa dia miandry ny valin’ny fanadihadiana. Isan’ireo mpiara-miombon’antoka eo anivon’ity toeram-pisakafoana ity, raha tsiahivina, ny kandida Tahina Razafinjoelina. Mbola isan’ny azo lazaina ho sotasota atao amin’ity kandida ity sy ny ekipany hatrany ve sa tena firehetana noho ny olana ara-tekinika na hafa? Andrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap