airtel

Actualités

03-févr-2025

Plaza Ampefiloha, herintaona aty aoriana

Sotasota fotsiny no nakana azy, potika sy mipetra-potsiny ao

Sample post image

Herintaona katroka omaly ny nanongotana teo am-pelantanan’ny mpandraharaha Raobelina Andry

03-févr-2025

sy ny orinasany ny Plaza Antanimena. « Herintaona tahaka izao no nandalo raho-mainty ny orinasa Canal7 Events rehefa nesorin’ny Fanjakana tamin-kery tao amin’ny Plaza Ampefiloha. Fotoana nahaketraka ny mpiara-miasa, namoizana ain’olona, nahavery ny fanantenan’ny tanora sy ny mpianatra maro noho ity toerana ity efa napetraka hanasongadinana ny ara-kolontsaina, ny ara-panabeazana, namolavolana tanora maro ihany koa sy ny marohafa. Aiza anefa isika izao herintaona aty aoriana? Samy mahita isika fa mijanona ho trano rava, trano haolo, trano ngazana ity toerana ity ankehitriny. », io no fanehoan-kevitra fohy avy amin’ny orinasa lasibatra omaly. Raha hiverenana fohy, nendahin’ny Fanjakana tao amin’ity toerana ity ny orinasan’ny mpandraharaha Raobelina Andry satria nambara fa ilain’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny toerana. Fotodrafitrasa potika sy rava, fifohana rongony, fanaovana maloto,… no nohajarian’io mpandraharaha io, izay nifanarahana tamin’ny Fanjakana tamin’ny fotoan’androny, ka ny fampiasana io toerana io no tambin’ny fanajariana azy. Noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika anefa, notsoahana tamin’ny nanajary azy ny toerana izay nampiasaina tamin’ny hetsika ara-kolontsaina, fanabeazana,… Ankehitriny, tsy hita hoe : natao inona, fa dia mipetra-potsiny sy miha potika kanefa dia namoizana ain’olona mihitsy ny fihazakazahana nanala ireo nanajary azy. Izay ilay hoe : aleo lo toy izay ho an-kavana, sotroranon’alika ka tsy hetaheta fa sotasota, ny fankahalana no lehibe indrindra,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap