airtel

Actualités

30-mars-2022

Actualités

Polisy mendrika tao Toamasina Notoloran'ny Siteny fondation moto

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanomezana foto-drafitrasa sy fitaovana ho an'ny polisy. Polisy mendrika iray tamin'ny asany indray tamin'ny faran'ny herinandro teo no notoloran'ny Siteny fondation moto vaovao.

30-mars-2022

 Rakotomalala Soloniriana Johnny no anarany avy ao amin'ny BCP 2 Toamasina. Raha ny fantatra dia tena tena nanao izay nety nanampiana ny mpiara-belona tokoa ity polisy iray ity. Nambaran'Atoa Siteny Randrianasoloniaiko nandritra izany fa efa nanome moto ho an-dRatsikitsiky tahaka izao ihany koa izy tamin'ny 3 taona lasa ho fankasitrahana. Mahafinaritra ny fanomezana fitaovana tahaka izao saingy mbola hangatahina amin'ireo polisy sy zandary hatrany ny hanovany ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany hisorohana ny fanamparam-pahefana sy ny fakana vola lava amin'ny fiara fitateram-bahoaka. Mikasika ny fidangan'ny vidim-piainana eto amintsika moa dia nilaza Atoa Siteny fa mila mihetsika ny fanjakana hanalana fahasahiranana ny vahoaka. Tsy tokony hijanona eny ambony latabatra fotsiny izany hoy izy fa arahina fidinana eny anivon'ny Fokontany mihitsy.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay moto
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap