Izaho dia resy lahatra fa na tsy mbola hikitika ny ao ambanin'ny tany aza isika amin'izao fa voakarakara tsara ny fizahantany dia tsy ambakan'ireny Costa Rica sy Rwanda ireny i Madagasikara", hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy tamin'ny ranty nataony. Mpiaro tontolo iainana izy ary tena sarotiny amin'izany. "Misy antony fa tsy haitraitra no mahatonga izany, hoy izy. Eo ny resaka hakanton'ilay voary Malagasy izay mampiavaka antsika amin'izao tontolo izao nefa atahorana hanjavona mandrakizay. Dia iza no hijoro hiaro an'ireny satria raha manjavona eo ireny dia vita atao mampanangy any amin'ny varitsimifody fa tsy hampiverina izany ny ranomaso sy alahelo. Nambarany fa 4 miliara dolara no vola ampidirin'i Costa Rica, izay firenena kely ao Amerika afovoany, amin'ny resaka Fizahantany. Efa nianatra tany Costa Rica moa ny tenany ka mahalala sy mahita ny zava-misy any, ka ilazany fa manankarena lavitra i Madagasikara miohatra amin'i Costa Rica. Isika manana biby sy zavamaniry isan-karazany, voary isan-karazany, Tsingy tsara be izay nandresy ny Tsingin'ny sinoa tamin'ny fifaninanana nataon'ny UNESCO sns. "Tsy hoe manohitra be fahatany ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany aho", hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy fa "rehefa atao amin'ny fomba gaboraraka toy izay hita amin'ny toerana maro eto amintsika ilay izy fa loza ny vokatr'izany". "Marina fa misy mila ary tokony ho trandrahana mba ho fanatsarana ny fiainan'ny Malagasy fa saika resaka trafika maloto foana aloha no re hatramin'izao izay ataon'ny mpitondra "tia tanindrazana" mba hampanankarena azy ireny malaky sns".
Jean D.
Pr Jonah Ratsimbazafy
Manohitra, manome 48 ora hanesorana an’i Be-Rija ny mpiasa
Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny