isika dia maro ireo rafitra sy sehatra fototra eto Madagasikara no mila fanovàna lalina sy feno amin’ny endrika fanavaozana, fanitsiana, ary fanavaozam-pitantanana, hoy ny mpanakanto Rafifi eo anivon’ny tarika Nabaoh. Ireto avy ny rafitra sy sehatra tokony hovaina mba hahafahana mampandroso haingana ny firenena sy miala amin’ny fiankinan-doha amin’ny firenen-kafa, hoy izy. Rafitra politika sy fitondrana no voalohany. Faharoa, ny rafitra ara-toekarena. Fahatelo, rafitra fanabeazana. Fahaefatra, rafitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina. Fahadimy, rafitra ara-tsipika na «infrastructures». Fahaenina, ny fifandraisana iraisam-pirenena. Fahafito, rafitra ara-tontolo iainana sy harena voajanahary. Afaka ho voaboasina tsirairay ireo lohahevitra voatanisa ireo amin'ny manaraka. Fehiny, tsy ampy ny fanovàna ireo rafitra tsirairay ireo fa mila fifamenoana sy politika mazava, fanoloran-tenan'ny vahoaka sy ny mpitondra ary fampihavanana amin’ny tantara sy ny kolontsaina malagasy. Tsy hiala amin’ny fiankinan-doha amin'ireo firenena vahiny izay nanjanaka antsika isika raha mbola manome andraikitra amin’izy ireo ny fifehezana ny harena sy ny lalàna. Madagasikara antsika jiaby! Raisiko ny andraikitro, tanterahako ny adidiko, fa adidy tsy an'olon-dratsy, hoy hatrany izy nanome tolon-kevitrana rafitra hitantanana ny firenena manomboka eto.
Nangonin’i J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny