airtel

Actualités

20-févr-2024

Raharaha Ankazomiriotra

Efa mananika ny 30 ireo olona nosamborina

Sample post image

Tafakatra hatrany amin’ny 30 isa ireo voasambotra tamin’ny raharaha Ankazomiriotra

20-févr-2024

nisian’ny fanafihana ny tobin’ny zandary tany an-toerana ny sabotsy lasa teo. Raha ny fanampim-panazavana sy fampahatsiahivana, naharay didy fampisamborana lehilahy iray tsy nandoha onitra nifanarahana avy amin’ny Tribonaly Antsirabe ny Zandarimaria Ankazomiriotra ; ka nandefa fampiantsoina na " convocation" ity lehilahy atsoina hoe "Bacom" ity. Voalaza araka ny fanazavana hafa niely omaly, fa efa in-droa no natsoin'ny zandary ny tenany saingy tsisy norarahiny. Voatery nandefa zandary miisa 4 tany Ivory Vinany distrikan’i Mandoto misy azy ny andron'ny sabotsy 17 febroary tamin'ny 5 ora maraina izay ora hany mety ahatratrarana azy ao an-trano ny zandary. Rehefa nitady ity lehilahy ity tao an-tranony ny zandary sy ny « quartier mobile » dia nanambara ny vadiny fa tsy ao i Bacom kanefa tazana nitsoaka nisaoty tamin’ny varavaran-kely izay efa voadidina mpitandro ny filaminana ny lehilahy, hoy ny fanazavana. Voalaza fa nahitana fanafody bala sy ody gasy nilatsaka avieny am-balahany, ary nanao fihetsika nikasa haka ny basy teny amin'ilay zandary nifanehitra taminy. Tsy azony anefa ilay basy ka nanao tari-dositra nitsaoka i Bacom. Nanao fampitandremana hitifitra ny zandary raha mbola saingy ninia mafy loha hitsaoka ihany ity lehilahy ity, hoy ny tatitra. Vokany, voatery nitifitra ny zandary ary mbola nitsaoka i Bacom taorian'ny tifitra nahazo azy ary tany amin’ny toerana nitsoahany no nahitan'ny fianankaviany azy efa maty, hoy ny resaka niparitaka. Misy fifanoherana izany hoe : nezahina notsaboina fa tsy tana ny ainy ? Tezitra ny fianankaviana ka nilaza fa tsy maintsy hamono zandary rehefa maty ny azy ireo, dia iny niafara tamin'ny fandorana ny biraon'ny zandary tao an-toerana. Henjakenjana ity raharaha ity, ary raha ny tatitra mikasika ny fitaovam-piadiana very sy simba, mety rà mandriaka sy faty olona mikararana raha nampiasa ireo fitaovana ny zandary. Mbola adihevitra hafa azo sokafana ihany koa anefa ny hoe : tena tsy azo navotana ve ireo fitaovam-piadiana maro izay very sy may ? Somary saropady ity raharaha ity ary ny vy ihany koa tsy mikitrana irery. Mety ho endrika hanehoan’ny vahoaka ny fahasosorany ireny. Mety misy fahadisoana na lesoka marolafy mivadika ho aretin’ny fiarahamonina, ka mila jerena sy halamina. Andrasana ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap