izay nanomanana ny fahatongavan’ny filoha tany an-toerana, izahay fikambanan’ny mpianatra avy any Fitovignany, hotronin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eto Antananarivo dia manambara etoana fa nalahelo tanteraka tamin’ny fahafatesan’ny rahalahinay tsy manan-tsiny iny, hoy ireto fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ireto teny Ankatso omaly. Niezaka nangina izahay, hoy izy ireo, hatramin’ny fotoana nidinanay tany an-toerana nandritry ny fotoanan’ny fandevenana ka hatramin’izao satria na ny fanjakana na ny raiamandreny solontenam-panjakana dia samy nitaza-potsiny manoloana ny tohin’ny raharaha na dia efa misy aza ny fitoriana. Manameloka tanteraka amin’ny hevitray rehetra izahay manoloana ny tsy fandraisana andraikitra na firaviravian-tanana ataon’ireo nahavanon-doza sy ireo olona niezaka nanitrika ny fisian’ny fahafatesana ka nampihombo be ny fahoriana natrehanay namana sy fianakaviana manontolo. Takianay koa ny fandraisan’ireo raiamandreny ara-panjakana na ara-drazana an-tanana ny tohin’ny raharaha. Tsy ekenay ny fanaovana ny fahafatesan’ny rahalahinay toy ny raharaha tsy misy tohiny. Tsy ekena koa ny karazana fandrebirebena ataon’ny fitondram-panjakana mahefa voakasik’izany. Ny tena nampalahelo tamin’ity raharaha ity dia nolazaina fa lozam-pifamoivoizana no nitranga nefa nofafana ny ra rehetra teo amin’ny toerana voalaza ho nisian’izany. Ny razana tsy hitan’ny fianakaviana fa tonga dia nalevina nony izahay tonga tany. Nisy nahita ny fiara na dia tsy nijanona aza saingy samy matahotra ny hilaza ny marina ireo olona. Ny polisy koa mihanahana satria ohatran’ny misy tsindry hafahafa ao. Izay no hiantsoanay ny raiamandreny hatramin’ny ara-drazana hanara-maso akaiky ny tohin’ity raharaha ity, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto