airtel

Actualités

15-nov-2022

Actualités

Raharaha hafahafa Fa lasa aiza ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA ?

Sample post image

Ary aiza marina ny Tale Jeneraly vonjimaikan’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina no tsy hita tabilao firy taorian’ny 6 novambra? Isan’ireo tokony ho nanao ny tombana an’ireo Tale maro eo anivon’ny Jirama ny tenany,

15-nov-2022

saingy raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao ny 13 novambra teo dia hoe: tojo tsy fahasalamana, ka nangataka ny tsy hanao izany. Mivory eny Ambohimanambola ihany koa ny mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama efa ho herinandro, ary tokony ho eny izy, kanefa niera fa marary voan’ny covid-19, raha ny loharanom-baovao. Tafiditra ao anatin’io fivoriana ihany koa ilay fanaovana tombana ireo Tale. Andrasana izay mety ho fanazavana fanampiny na fandisoana avy ao amin’ny Jirama, fa raha ny vaovao azo omaly dia tany Fort Dauphin ity Tale Jeneraly mpisolo toerana ity. Voalaza fa nipetraka tao amin’ny Hotely Talinjo, ary ny fiaran’ny Jirama marika Isuzu Dmax no nentiny. Voalaza fa voasoratra anarana tao anaty lisitry ny mpandeha an’ny Air A….. hiazo an’I La Réunion omaly tolakandro. Voalaza fa tsy tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina anefa Atoa Rivo Radanielina, hoy io loharanom-baovao io. Tany amin’ny fiandohan’ny volana jolay 2022, nikasa saika hivoaka tany ivelanY ity tale jeneralin’ny Jirama mpisolo toerana ity, saingy tsy afa-nivoaka satria voalaza fa namoahan’ny Fanjakana taratasy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’I Madagasikara na IST (Interdiction de Sortie du Territoire), araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. Somary nangingina sy nilamindamina saingy tsy fantatra mazava na efa nivaha na tsia fa matoa aloha amoahana IST dia mety misy raharaha goavana mampiahiahy momba azy. Hatreto, tsy fantatra mazava izay misy ny Tale Jeneraly amin’izao hoe: efa tsy misy IST intsony ve ka lasa malalaka any ivelany? Sa efa lasa fa “sous faux passport”?. Na koa efa lasa koa fa femeriverena ny sain’ny rehetra ilay hoe : mody anaty lisitry ny mpandeha tokony hiainga omaly? Tsy lojika hoe : ao anatin’ny toe-javatra goavana miseho eo anivon’ny Jirama no tsy hita popoka ny Tale Jeneraly. Voalaza hatreto fa tsy misy mpisolo toerana azy ao amin’ny Foiben’ny Jirama. Fa inona marina no mitranga ? Nankaiza ny Tale Jeneraly ? Sa lasa nitsabo tena any ivelany noho ilay hoe: tsy fahasalamana? Misy zavatra tsy mazava sy mifamahofaho!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap