airtel

Actualités

13-sept-2021

Actualités

Raharaha nahavoatonona olo-malaza Natao fanadihadiana ny vadin’i Mr Sayda ?

Sample post image

Hatreto, mbola tsy naharenesam-peo sy tsy naneho hevitra momba ilay toe-draharaha voalaza fa niseho teny Ambatobe ny mpanakanto Mr Sayda.

13-sept-2021

 Niely tamin’ny tambazotra sy ny fampahalalam-baovao fa sakaizan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny tenany, ary izay no voalaza fa nisian’ny fitifirana nataon’ny tompom-bady. Ny fitifirana aloha dia efa nisy manampahefana naneho, fa tena nisy poa-basy. Tsy mbola nisy kosa ny fanamarinana ofisialy, fa ireo olona telo ireo tokoa no nifanjevo tao anatin’ny raharaha. Efa nisy ny fandisoana tamin’ny endriny samihafa nataon’ny Minisitry ny serasera, raha toa ka mbola tsy niloa-bava kosa ity mpanakanto malaza ity. Raha ny loharanom-baovao iray tsy ofisialy kosa, voalaza fa nalain’ny mpitandro filaminana ny vadin’ity Mpanakanto ity ny faran’ny herinandro teo. Mety natao fanadihadiana, na koa mba ho fiarovana azy manokana sy ho fitandrovana ny ainy, hoy io loharanom-baovao io. Andrasana kosa ny fanazavana sy fanamarinana na koa fandisoana ofisialy. Ny somary mahagaga kely ao anatin’ny raharaha ihany koa anefa, nampiasaina ny Minisiteran’ny serasera amin’ny maha departemantam-panjakana azy, mba hiarovana sy hanamelohana ny resabe momba ny minisitra. Nahetsika ny karazan’olona maro samihafa hanohana an-dRtoa minisitra. Samy ao anatin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izy roa ireo satria mpanolontsaina ara-teknika i Mr Sayda, saingy ny minisitra ihany no nezahina narovana sy nodiovina mivantana tamin’ny alalan’io minisitera io, fa ity faharoa kosa toa nohadinoina tanteraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap