nentiny nibodoana trano nohofain’i Liu Zhuo, mpiara-miasa taminy. Nanda ny fivoahan’io taratasy io avy ao aminy mantsy ny «cabinet de notaires» any Chine voalaza fa nanaovan’i Liu Si Ran, mpandova an’i Liu Zhuo, raha ny vaovao voaray. Voalaza fa nisy ny fampiasana taratasy hosoka tamin’ny raharaham-pitsarana nataon’i Gu Feng izay nahazoany rariny ka nibodoany ny trano na dia tsy nanaiky hanavao ny fifanarahana intsony aza ny tompony tamin’ny 2018, nialohan’ny nahafatesan’i Liu Zhuo. Voalaza ihany koa ny fisiana hosoka tamin’ny fanamarinana io taratasy io natao teto Madagasikara satria tsy fitomboka sy sonian’ny tomponandrakitra ao aminy akory ireo nampiasaina tamin’izany, araky ny fanazavan’ny kaominina nolazaina fa nanao izany. Tsiahivina fa voarohirohy tamina raharaha ara-pitsarana maroloha i Liu Zhuo, mpanofa ny trano “Tia shop” ka voaroaka hiala teto Madagasikara saingy tafajanona tany Nosy Be noho ny fikatonan’ny sisin-tany tamin’ny fotoan’ny valanaretina covid-19 ary matin’io aretina io mihitsy rehefa niverina teto an-drenivohitra. Sady niady sy nanao herisetra tamin’ireo Malagasy mpivarotra izay nampanofainy io trano nohofainy io i Liu Zhuo no tsy nety nandoa hofan-trano an-taona maro nefa nibodo io trano io ka nahatonga ny fitorian’ny tompony azy sy ny tsy fanohizany ny fifanarahana izay tapitra tamin’ny 2018, hoy ny fanazavana. Nokasain’ny tompony ho tapahana ihany koa ny fifanaraha tamin’ny trano “Tia shop” tao Tsaralalàna izay tokony hifarana amin’ny 2023 izao saingy notorin’io sinoa io izy ary nampidiriny am-ponja tamin’ny fomba tsy nazava. Tsy misy volan’ireo sinoa niasa akory tao amin’ny “Tia shop” fa ny hofan-trano raisiny amin’ny mpivarotra ampidiriny ao fotsiny no andoavany ny hofany any amin’ny tompony nefa mbola tsy tanterahany ihany koa ny nifanarahana, hoy hatrany ny fanazavana. Manantena ireo Malagasy mahatsiaro ho lasibatra fa mba hitsimbadika manomboka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mikasika ity raharaha ity hampanjakana ny tan-dalàna.
Toky R
Légende : Misy ny loharanom-baovao milaza fa karohina i Gu Feng amin’izao fotoana izao
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa