airtel

Actualités

10-mars-2021

Actualités

Raharaha trangam-panolanana “4% hatreto no tonga eny amin’ny fitsarana”

Sample post image

Mijoro hatrany ho mpiaro ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara,

10-mars-2021

 

 hoy ny filohany, Estelle Andriamasy, tetsy amin’ny Villa Riant Val Androhibe nandritry ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ny 8 martsa teo. Mbola maro ireo zon’ny vehivavy voahitsakitsaka eto. Misy koa ireo efa isitrahana saingy betsaka moa ny zon’ny vehivavy ka antony hitolomanay isan’andro izany. Isan’ny tena mampikaikaika ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Tokony ho saziana izay manao izany. Eo koa ny zo hisitrahana ny harena voajanahary toy ny fananan-tany, ny fahafahana manana kara-tany, ny fahafahana mizaka fananana. Mbola maro ny vehivavy tsy afa-misitraka izany noho ny tontolo misy azy. Tsy maintsy mijoro amin’ny alalan’ny fanabeazana any an-tsekoly, haino aman-jery, manam-pahaizana manokana momba izany izahay. Maro ny vehivavy miaina fanolanana, miaina fanolanana avy amin’ny fianakaviana ihany. 4%n’ny tranga ihany anefa hatreto no tonga eny amin’ny fitsarana. Mbola maro no dikan’izay ireo tsy maty manota manao ilay herisetra. Efa mikitika ary manao ankisisika amin’ny resaka lalana momba izany sy ilay resaka tany io mihitsy izao ny CNFM ary hanao tolo-dalana vitsivitsy momba io resaka tany io, hoy hatrany izy ireo.

 

J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap