airtel

Actualités

08-juil-2021

Actualités

Raharaha volamena 73,5kg Niakatra ho 24 ireo voarohirohy, 15 no any am-ponja

Sample post image

Tafiakatra 24 ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5kg tratra tatsy Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020.

08-juil-2021

Ny 15 amin’izy ireo no efa nidoboka am-ponja, araka ny fanazavana nomen’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ny PAC omaly. Mpiasan’ny ladoany, mpiasan’ny ACM izay nahitana ny Tale Jeneraly, mpiasan’ilay kaompania STA nisy ny fiaramanidina,… no mandrafitra ireo 24 tafiditra ao anatin’ny raharaha. Nambara kosa fa mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Afrikanina Tatsimo isika amin’ny fampodiana ny volamena, ary andrasana toy izany ihany koa ny valin’ny fangatahana fampodiana ireo telolahy mba hotsaraina aty Madagasikara. Enim-bolana aty aoriana tsy hita ihany izay vokatra. Andro vitsy taorian’ny nahatrarana ny volamena anefa, raha nisy ny fanambarana nataon’ireo Minisitra maromaro ao anatin’ny governemanta, dia nolazaina mihitsy fa atao izay hahatafaverenan’ny volamena sy ireo telolahy eto Madagasikara mialohan’ny 12 janoary 2021 fotoana voatoandro hihainoan’ny fitsarana ireo telolahy voalohany. Ny 20 martsa 2021 dia nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa efa nomena toromarika sy iraka ireo minisitra samihafa. Ny tsy fahatafaverenan’ny governemanta dia endriky ny tsy fahombiazan’ny minisitra na ny Fanjakana mihitsy, hoy I Andry Rajoelina. Aiza ho aiza ary isika izao momba iny raharaha iny? Tsy efa misy minisitra na olona ambony tokony hametra-pialana noho ny tsy fahombiazana ve? Aiza ny vokatra ho an’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Fitsarana, Fitaterana, Vola sy tetibola,…?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap