airtel

Actualités

11-mars-2022

Actualités

Raissa Razaivola Hiakatra fitsarana anio

Sample post image

Ny 8 febroary teo no namoaka filazana fikarohana an’i Raissa Razaivola noho ny fikasana hamono olona ny polisim-pirenena.

11-mars-2022

 Ny ampitson’izay ihany moa dia nanitsy ny mpisolovava azy fa tsy nitsoaka izy akory fa miteraka anatina klinika iray. Niatrika fampanoavana ny alin’ny 24 febroary teo moa ny raharaha ary nampidirina am-ponja vonjimaika teny Antanimora vokatr’io ity voapanga ity. Ankoatran’izay dia firaisana tsikombakomba amina afera toy ny resaka volamena sy fanerana amin’ny afera maizina no isan’ny iampangana azy. Isan’ireo voarohirohy niaraka taminy ihany koa ny koa ireo voalaza ho teratany “Karana” roalahy antsoina hoe Koufali Daya sy Stephan Khamis, ankoatran’olon-kafa maro hafa. Raha tsiahivina dia niatomboka tamina resaka horonampeo naha voasaringotra ny minisitry ny fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ity raharaha ity. Hiakatra fitsarana anio moa ny raharaha raha ny fantatra. Hipoitra ve ny marina sa tsia ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Mifarana ny taom-piasana 5 taona tsy azo havaozina ho an’Atoa Laza AndrianirinaTale Jeneralin’ny Bianco (Bureau indépendant anti-corruption)

Card image cap
07-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap
07-mai-2024

Karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara telo karazana be izao no fantatra

Card image cap
07-mai-2024

Moa tsy tahaka ireny migalabona fandrosoana sy fiadanana any amin’ireo firenena « Nordique »

Card image cap
07-mai-2024

Tafatsangana ary nivory voalohany omaly 6 may ny komity hanatanteraka ny famolavolana

Card image cap
06-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap