airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Rakotoarimanana Henintsoa « Tokony hatao kaominina an-drenivohitra i Andoharanofotsy »

Sample post image

Anisan’ny kaominina mihetsiketsika ny kaominina Andoharanofotsy, tantanan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa.

03-avril-2023

Betsaka ny asa fampandrosoana vita izay saika mifanaraka amin’ny filan’ny mponina avokoa raha miroborobo fatratra ihany koa ny tanana. Efa mahatratra 120.000 isa mantsy ireo mponina ao aminy amin’izao. Anisan’ny antony manosika ny Ben’ny tanana hangataka amin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hanaovana ity kaominina iray ity ho kaominina an-drenivohitra izany.
TSY MITANTAM-BOLA
Na dia be mponina aza anefa ny kaominina Andoharanofotsy dia tsy mitantana mivantana ny vola miditra ao aminy, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa. Tsy maintsy alefa eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana na ny tresor izany ka ireto farany indray no mamoaka rehefa misy ilan’ny kaominina vola. Anjaran’ny kaominina kosa anefa no manapaka ny fandaniam-bola hataony. Mikasika ireo karazana fitaovana na foto-drafitrasa azon’ny kaominina araka izany dia tsy izy ireo mivantana no manao azy. Raha nangataka kamiao hitaterana fako tamin’ny filoha ohatra ny kaominina dia ny fitaovana tonga teo aminy no hitany. Toraka izany koa ilay sekoly manara-penitra eny Iavoloha izay hiarahan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Fitondram-panjakana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany ka misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izany fotsiny ny kaominina.
MBOLA BETSAKA NY OLANA
Na izany aza anefa dia nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa mbola betsaka ny olan’ny mponina ao Andoharanofotsy. Anisan’ireny ny fitadiavana ny toerana hasiana ny tsena vaovao. Tena vonona ny hanohana azy ireo tokoa ny filoha saingy ilay toerana hametrahana izany no mbola olana hoy ny fanazavana azo. Toraka izany koa ny resaka rano fisotro madio. Mbola matsaka rano amin’ny bombona vatsian’ny JIRAMA hatrany ny mponina hatreto. Na izany aza dia fantatra fa efa mitady vahaolana miaraka amin’ny Ministeran’ny rano ity Ben’ny tanàna ity. Mijaly jiro ihany koa ny mponina vokatry ny fangalaran’ireo tsy mataho-tody ireo jiro napetraka any an’elakelantrano. Miisa 120 hatreto ireo efa nanjavona. Mbola malaina amin’ny fandoavan-ketra ihany koa ny mponina noho ny fahasahiranana hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity. Vao 30% monja izany tamin’ny taona 2022 lasa teo izay tokony ho 50% raha kely indrindra. Raha mandoa hetra tsara avokoa ny mponina hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity dia tsy tokony hanana olana amin’ny resaka fidiram-bola ny kaominina saingy mbola tena sahirana fatratra aloha izy ireo amin’izao. Ny 60 ka hatramin’ny 70%-n’ireo lalankely tokony namboarina tao amin’ity kaominina ity moa no efa vita tanteraka ankehitriny raha mbola misy koa ireo tsy vita.
Pati
Legende : Rakotoarimanana Henintsoa na Tôta, Ben’ny tanànan’ny kaominina Andoharanofotsy Atsimondrano
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap