tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Ramamonjisoa Florentin Pascal « Mety ho lafo Madagasikara raha omena zom-pirenena ny vahiny »

Nanao totoafo tato ho ato ny fanehoan-kevitra momba ilay lalana hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny fanomezana zom-pirenena Malagasy ireo tera-tany vahiny eto amintsika.

31-oct-2022

Sample post image

Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny faran’ny herinandro teo Ramamonjisoa Florentin Pascal, mpandinika raharaham-pirenena. Nambarany fa ahiana ho lafo amin’ny ambongadiny mihitsy i Madagasikara iray manontolo afaka 20 na 30 taona raha toa ka misisika amin’ny fandaniana io lalana io ny solombavambahoaka. Mbola tsy mahazo ilay zom-pirenena aza ireo vahiny ireo hoy izy dia efa tena potika sahady ny Malagasy. Faritana ny tany ery, vidiana ny tany ety…Tsy tokony izany no hahamaika ny Fitondram-panjakana hoy hatrany ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity fa ny famahana ny olan’ny Malagasy mpiray tanindrazana, indrindra fa ny sosialy toy ny fanomezana asa ny vahoaka, ny fampidinana ny vidim-piainana….Mikasika ireo vahiny efa nonina teto amintsika hatramin’izay kosa ary efa hilevina eto mihitsy aza dia nambarany fa azo omena ilay zom-pirenena ihany ireny saingy tsy maintsy arahi-maso akaiky sao sanatria ihany koa miketrika fanambakana na fitsetsefana. Anjaran’ireo andrim-panjakana roa lehibe eto amintsika araka izany ny mandinika izay tokony hataony. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika samy manahy ny amin’ny mety hahalafo an’i Madagasikara avokoa ny rehetra raha toa ka lany eo tokoa io fanomezana zom-pirenena Malagasy ireo tera-tany vahiny io.
Pati
Legende : Ramamonjisoa Florentin Pascal, mpandinika raharaham-pirenena
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus