Ramatoa iray heverin’ny havany fa efa maty any am-pasana mantsy no hita velon’aina soa aman-tsara omaly, hany ka nisahotaka ny rehetra hoe: inona ity? Raha ny ambangovangony, voalaza fa nisy fotoana tsy hita matetika ity ramatoa ity. Nahare feo ny fianakaviana fa hoe hita ny fatiny ka nanatona tany amin'ny tranom-paty na “morgue”, ary efa nandevina mihintsy aza, ary voalaza fa efa simba ny razana tamin'izay. Omaly anefa dia tonga indray ilay ramatoa, izany hoe: faty hafa izany ilay voalevina fa izy ity nipoitra ity indray, fa noho ny tsy fahitana azy, izay nifanandrify tamin’ny fisiana fatin’olona efa simba dia noheverina fa ho izy. Tranga tsy dia fahita firy, ary any anatin’ny tantara an’onjam-peo no hahenoana tahaka izany matetika.
Nangonin’I Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.