airtel

Actualités

23-nov-2022

Actualités

Randrana sendikaly “Efa ho 3 volana notanana am-ponja noho ny asa sendikaly i Sento”

Sample post image

Andro vitsy sisa dia feno 3 volana no nitazomana ny kamarady Sento tany am-ponja, noho ny asa sendikaly, hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly omaly.

23-nov-2022

Niteny ny rafitra iraisampirenena momba ny asa na OIT, hoy izy ireo, hoe fanitsakitsahana ny fifanarahana iraisampirenena 87 sy 98 io ataonareo amin’i Sento. Nalefa ny taratasy tany amin’ny praiminisitra fa dia miziriziry eo. Tsy hay moa hoe inona no tiany hahatongavana fa dia mitohy aloha izany ny anay ny tolona. Ny zoma izao dia hisy ny diabe ho fanamarihana ny andro iraisampirenena amin’ny ady amin’ny herisetra anaty toeram-piasana. Hitaky indray isika hoe avoahay izao dieny izao i kamarady Sento! Inona indray no kononkononinareo ao amin’io CNaPS io? Ny raiamandreny tokony hisotro ronono hampisotroinareo tangena, ny Tsaradia ahoana ihany, ahoana indray ity resaka taratasy tsy misy ity dia hoe tsy omena fisy fanamarihana ny vola raisiny ireo raiamandreny? Izany rehetra izany iandrasana valiny daholo. Fa maninona no ovaina ilay paikady sa izay indray no hahafahana mangala-bola ao? Inona indray no kononkononina hamotehana ny CNaPS? Lazainareo fa ny mpanjifa foana anefa no omena lanja ao anatin’ilay fitantanana, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap