airtel

Actualités

13-mars-2025

RANDRANA SENDIKALY

«Tsy mahavita ianareo mpanao

Sample post image

politika, mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra isika ».

13-mars-2025

65 taona nahaleotena isika izao, hoy ny Randrana sendikaly, ka dia ny hafatra ho an’ny fiarahamonim-pirenena izany dia hoe isika anatin’izany lasa tenenin’ny olona hoe lany andro mivory fotsiny, manao fanambaràna fotsiny, maka volan’ny mpamatsy vola fotsiny dia manao bolokim-bazaha fotsiny. Isan’ny fanakianana ataon’ny vahoaka amintsika fiarahamonim-pirenena izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, ka tonga ny fotoana izao iandrasan’ny vahoaka hoe inona ilay tena sosonkevitra sy asa mivaingana andrasan’ny vahoaka amintsika satria tena latsaka an-katerena ny firenena? Ny mpanao politika koa dia andrasana satria 65 taona nahaleotena, napetraka ilay telozoro, dia rehefa misy krizy eto Madagasikara dia mivorivory ny mpanao politika hoe hamaha olana. Miverimberina ilay krizy. Inona ilay vahaolana? Mizara seza no atao ao fa tsy misy paikadim-pampivoarana mihitsy. 28% eo sisa, hoy ihany ilay fanadihadiana izay, no hany sisa matoky ny mpanohitra eto Madagasikara. Manao sarin’ady ve ny mpanao politika malagasy sa tena vonona hitondra fanovana ao anatin’ilay izy? Farany teo aza moa dia hoe nifanasa vangy ny mpanohitra. Izany ve no ilaina ao anatin’izao toe-draharaha izao sa hoe fanajanonana ilay ambom-po? Tokony hijery ny paikadim-pampandrosoana ny firenena amin’izay. Io efa sokafan’ny Randrana sendikaly io ny lalana satria efa tsy mahavita ianareo mpanao politika ka mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’izay. 65 taona izany, raha olona miasa, efa nisotro ronono 5 taona, hoy hatrany ny Randrana.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap