airtel

Actualités

24-mai-2022

Actualités

Randrana sendikaly “Vahao ny olana fa aza mifanilika andraikitra”

Sample post image

Ny 8 mey teo no tafapetraka tato amin’ny CNaPS ny fitakiana ny amin’ny tokony hanondrotana ny fisotroan-drononon’ireo mpiasa ihany koa, hoy, omaly tetsy amin’ny CNaPS Ampefiloha, ny Randrana sendikaly.

24-mai-2022

Faharoa dia hoe tokony omena izany koa ny an’ireo naverina fotsiny ary ny fahatelo dia tokony havaozina mihitsy ny sata fiarovana ara-tsosialy na “code de protection sociale”. Namaly ny CNaPS tamin’izay hoe tsy any amin-drizareo mivantana no tokony hipetraka ny fitakiana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Izay no hahatongavanay anio. Nangataka fihaonana tamin-dramatoa tale jeneraly izay hoe tsy mazava izany valinteny izany satria sao tsy hainareo ny andraikitrareo? Ato amin’ny CNaPS no tantanana ny volan’ny mpiasa rehetra. Ny filankevim-pitantanana izay mahita ny toebola ao amin’ny CNaPS no tokony hanapaka izany fisondrotan’ny fisotroan-dronono izany hoe izao ny fisondrotry ny vidim-piainana dia izao no tokony ho izy dia mamoaka lalana hampiharana azy avy eo ny fitondram-panjakana. Tsy izay no nisy hatramin’izay fa mbola ilay tsy marina sy tsy mety foana no tadiavina zizoina ho tohizana. Nilaza moa ry zareo hoe fivorian’ny STAFF anio (TTF: omaly). Efa 50 taona mahery izao ny CNaPS. Nivorivory foana fa tsy hita izay vokany. Rehefa tsy handray ianareo dia ho entinay any amin’ny sehatra mafimafy ity. Misy ilay fivoriana any Genève amin’ny 3 jona. Rehefa tsy hilaza izay ho entiny any izy dia ho hitany eo ny tohin’ny hetsika fa tsy amelan’ny Randrana sendikaly izao famonoana ny mpiasa malagasy sy misotro ronono ataon’ny CNaPS izao. Mbola hanaitra ny dosienay izay mbola eny amin’ny BIANCO izahay. Tsy mila fivoriana isaky ny mihetsika izahay fa valio ny fitakianay. Vahao ny olana fa aza mifanilika andraikitra isaky ny mihetsika, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap