ny fikaonandoha iarahan’ireo sendika, fiarahamonim-pirenena, mpanao politika resy lahatra mikasika ny amin’ny tokony hijerena vahaolana ahafahana manavotra ny firenena. Iaraha-mahita nefa, hoy ny Randrana sendikaly, izao fa dia nosakanana indray izany na dia efa nanaiky aza ny tomponandraikitry ny Motel Anosy. Tonga ety nefa izao ny EMMO-REG, tsy misy fanazavàna fa dia hoe mivoaha ianareo, ohatran’ilay nitranga teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina ihany! Ny anay moa ny fepetra raisina dia toy ny mahazatra hatrany hoe mitady hevitra hafa indray rehefa voasakana toy izao saingy ny tsara ho fantatr’izao tontolo izao sy ny rehetra mihitsy izany izao dia hoe vao tamin’ny herinandro isika no voatsikera mafy tany Genève mikasika ny fanajàna ny zon’olombelona eto Madagasikara, indrindra, mikasika ny fahafahana maneho hevitra dia mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana, vao ny zoma no tonga ny olona nanatrika tany dia efa izao sahady no miseho ny sabotsy! Heverina, noho izany, fa mila mandray andraikitra ny rehetra na ny avy eo anivon’ny fitondràna io na ny sehatra samihafa hoe ahoana no itondràna ny vahaolana. Io tsy olan’ny Randrana sendikaly raha ohatra ka manana vahaolana ny fitondràna. Izay no antony hitenenanay hoe avoahay ny «Jocker» na vahaolana avy aminareo mpitondra fa rehefa tsy manana ianareo dia omenay! Izao moa izany aloha no zava-misy dia ho hitantsika eo ny tohiny, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.