airtel

Actualités

29-oct-2025

RANDRIANTSOA JIMMY

Betsaka ny fanovana tokony hatao eny anivon'ny kaominina

Sample post image

Saika miandrandra fanovana avokoa ny

29-oct-2025

rehetra indrindra taorian'ny nianjeran'ny Fitondrana jadona ka nijoroan'izao Fitondrana vaovao tarihin'ny Filoham-panjakana ny Kolonely Randrianirina Mickaël izao. Ho an-dRandriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora, distrikan'Avaradrano dia maromaro ireo tokony hahitsy sy hasiam-panamboarana hoy izy raha tiana ny hampandroso ny eny ifotony. Ny sefom-pokontany dia nambarany fa tokony izay olona voafidim-bahoaka no hitantana eo fa tsy izay tian'ny lehiben'ny distrika sy ny lehiben'ny Boriborintany amin'ny alalan'ireo anaran'olona 3 voafidy tonga any aminy akory. Tokony tena hifanohana amin'ny kaominina koa ny Fokontany hoy izy. Mikasika ny fitsinjaram-pahefana dia nomarihiny fa tena mety raha jerena akaiky ny sehatry ny fananantany fa tsy ho eo ambany fifehezan'ny Ministeran'ny fanajariana ny tany irery. Rehefa mitaky hetra mantsy ny kaominina hoy izy dia misy tany tsy fantany akory ny momba azy... Ny fitateram-bahoaka ihany koa dia nambarany fa ny Ben'ny tanana no tena hitarainan'ny olona rehefa tsy tomombana izany. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia fehezin'ny Ministera sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny eto an-drenivohitra raha toraka izany koa ny kaominina izay manome ny licence. Farany izay tsy kely akory dia notsindrian-dRandriantsoa Jimmy fa tokony hanampy ny kaominina ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny famatsiana fitaovana toy ny solosaina sy ny connexion ohatra. Toraka izany koa ny fidirana amin'ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka ho azon'ny olona aloha amin'ny alalan'ny mobile money ny hetran-trano sy hetran-tany eny anivon'ny kaominina, fampandrosoana izay nambarany fa tsy azo hiodivirana na ho ela na ho haingana.
Pati
Légende : Izy no Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora !
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap