airtel

Actualités

31-juil-2023

Actualités

RAY MPANOLAN-JANAKA Efa misy maromaro ao Antanimora

Sample post image

Tena tsy azo hatokisana intsony izao na dia ny Ray niteraka aza ho antsika manan-janaka vavikely. Tsara raha beazina tsy hanao fihetsika hafahafa,

31-juil-2023

tsy hanao akanjo manaitaitra, tsy hivalan-drano eo imason-dRainy ny zanaka vavy na dia mbola kely aza hisorohana ny loza mety hitranga. Mahery mantsy ny fakam-panahy indrindra raha somary mandrairay kely ilay Raim-pianakaviana toy ny fifohana zava-mahadomelina na ny fisotroana toaka. Maromaro izy ireo no efa miandry ny fitsarana azy ao Antanimora amin’izao raha araka ny loharanom-baovao azo. Nisy ireo vao nanandrana fotsiny raha nisy ihany koa ireo efa naka tsirony an-taonany maro mihitsy toy ny nanjo ilay zazavavy kely vao 10 taona monja teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano tamin’ny faran’ny herinandro teo. Voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo mihitsy moa ity zaza ity vokatry ny hadalan-dRainy. Fitaka no nahazoany ny fahadiovan’ity zaza ity toy ny hoe : manao fitaisana amiko ndrii dia tsy mipipi am-pandriana intsony. Mbola mipipy am-pandriana foana mantsy ity zaza ity ka leon’ny fibedesana azy matetika rehefa ao an-tokantrano. Efa eny Antanimora moa ilay ranamana io mijinja ny nafafiny ankehitriny.
Pati
Legende : Ity ilay Ray nanolana ny zanany vavy teny Alakamisy Fenoarivo !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap