airtel

Actualités

15-juin-2023

Actualités

Ray niteraka nanolana ny zanany vavy Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary

Sample post image

Miharatsy ny trangana fanolanana misy eto amintsika. Raha raikely sy dadatoa na dadafara teo aloha no tena nanao izany dia efa ny Ray niteraka mihitsy ankehitriny no efa mirotsaka manao izany.

15-juin-2023

Tsy misy hafa amin’izay ny nanjo ilay zazavavy kely iray vao 12 taona monja tany Mananjary. Tamin’ny taona 2016 no nisaraka ireo nahitany masoandro, raha araka ny fanazavan-dReniny. Mankany amin’ny dadany isaky ny faran’ny herinandro sy rehefva vakansy ity tsy manan-tsiny ity noho izany. Matetika ihany koa no maka azy any am-pianarana ny Rainy fony izy tao amin’ny kilasy CM2. Indrisy anefa raha araka ny fanazavan-dReniny fa efa nanomboka tamin’izany ilay fanolanana. Efa ho 2 na 3 taona teo ho eo mantsy no niharetan’ilay zaza izany. Herinandro maromaro lasa anefa izay dia nitaraina ny nanjo azy ilay zaza. Efa simba tanteraka rahateo ny fivaviany no sady namoaka tsiranoka fotsy ka voaporofo hoy ny Reniny fa tena voaolana izy. Nitory itsy voalohany noho izany ka nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Farafangana ity Ray niteraka nahavanon-doza ity. Tsy niasa tao amin’ny faritra nisy azy mantsy ilay ranamana io fa tany amin’ny distrikan’i Farafangana. Raha vantany vao tratra izy dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Mananjary miandry ny fitsarana azy amin’ny 06 jolay.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap