airtel

Actualités

26-janv-2026

Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Michel

« Mila apetraka ny fizakan-tena ara-bolan’ny faritra,

Sample post image

havaozina ny fampianarana ! »

26-janv-2026

Rehefa nanao fihaonam-be, amin’ny endriny fotsiny aloha, dia aoka hiverina amin’ny fokontany misy azy daholo ny tompon’andraikitra rehetra na Filoha, na Praiminisitra na Minisitra,… Any no tokony hiaingany, raha ny fanehoan-kevitry ny Pr Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Michel. « Ny ijoroanay raha ara-politika, dia ny fametrahana ny « autonomie régionale » na inona na inona mety ho endriny hoe : fédéralisme ve ? Etat unitaire ve ? Faritany mizaka tena ve ? Izay endriny eo fa ny tena zava-dehibe dia ny « autonomie communale » sy « autonomie régionale » », hoy ity Minisitry fampianarana ambony teo aloha Pr Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Michel, izay efa nitana andraikitra ambony maro raha tsy hilaza afatsy naha ambasadaorontsika azy tany Lybie.
MILA FINIAVANA SY LOHARANOM-BOLA
Aminy, ny olana tsy ahazoantsika ny fampandrosoana lovain-jafy dia tsy ny rehetra no mandray anjara fa olom-bitsy, ka lasa politika fanilikilihana no betsaka. Tokony hampiasaina ny olona, miainga any ifotony hoe : manana ny finiavana politika eo amin’ny sehatra nasionaly. « Tamin’ny taona 1992 izay nametrahako ny « Autonomie universitaire » fony aho minisitra ohatra, dia tena nampiroborobo ny oniversite sasany izay nampihatra ; raha mandeha amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa ohatra dia miavaka satria nampihatra ny fizakan-tena », hoy izy nandray ho ohatra. Fa ny mampalahelo tamin’ny fitondrana teo aloha ohatra, dia somary nosazian’ny Fanjakana satria tsy nomeny hoenti-manana, dia lasa ny Raiamandreny no mangana ny tratrany amin’ny fiantohanany zanany, kanefa mitombo ny mpianatra, miakatra ny saram-pisoratana anarana,… araka ny fanamarihany. Mila fanavaozana mba tsy ho fampiofanana mankany amin’ny diplaoma fotsiny fa zavatra hiatrehana asa, ny ilaina,… Ny zava-misy anefa rehefa manao lalàna mifehy ny tetibola ohatra, dia sahala amin’ny tsy misy ny fanabeazana. Hanao fampandrosoana, hanondrana vokatra iray ohatra afaka 5 taona kanefa ny fampianarana tsy tafiditra akory hanatsarana an’ilay vokatra. Efa andro fanatontoloana anefa izao, mila fenitra,… Raha tena hanao fanavaozana dia mila manana finiavana ny olona, tena hapariaka ny fahefana sy ny loharano ara-bola sy arak’olona.

MILA MANAM-PAHAIZANA
Mampalahelo ohatra ny mahita depiote mandray fitenenana ao amin’ny Antenimierampirenena eo anatrehan’ny governemanta dia samy miady ny paroasiny daholo kanefa avy eo izy mifidy lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ka sahala amin’ny tapi-maso ho an’ny vahoakany fotsiny hoe miady, hoy hatrany i Pr Dieudonné Michel Razafindrandriatsimaniry. Depiote tamin’ny andron’ny Praiminisitra Francisque Ravony ny tenany, ka tamin’izany hoy izy no isan’ny niadivanay hoe aleo asiana « Assistants parlementaires » roa ka ny iray mba manam-pahaizana amin’ny lalàna ary ny iray amin’ny siantsa sosialy amin’izay mba manana olona sy misy mpanolo-tsaina amin’ny lalàna mba tsy hananga-tanana fotsiny, nampianarina namaky lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap