airtel

Actualités

31-juil-2026

RAZANA AVY ANY

MAHAJANGA ALEVINA ANY AMBOVOMBE

Sample post image

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

31-juil-2026

Efatra andro omaly Alakamisy 30 Jolay no tavela ao Ampopoka Fianarantsoa, ny fianakaviana iray nitondra razana niainga avy any Mahajanga haterina any Ambovombe Androy. Noho ny olana amin'ny fiara sy ny tompon'ny fiara no voalaza fa mahatavela an'ireo fianakaviana ireo any an-toerana. Raha araka ny fantatra anefa dia efa voalohan'ireo tompom- pahoriana ny vola 4 000 000 Ar nifanarahana ho hofan’ny fiara hitondrana ny razana ary mbola notakiana vola 500 000 Ariary hafa indray izy ireo rehefa tonga tao Ambatolampy. Tafara-dalana tamin’ireo fianakaviana ihany koa ny zanaky ny tompon’ny fiara. Nijanona tamina garazy fanamboarana fiara iray eny Ampopoka izy ireo ary nilaza fa handeha hividy " pieces" no nialan’ilay zanaky ny tompon’ny fiara ka hatramin'ny omaly tsy niverina, hoy ny vaovao azo. Nanatona ny fokontany ireo fianakaviana ary nanao antso avo amin'ny mpitondra isan’ambaratonga hijery akaiky izao manjo azy ireo izao. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana ny Fitondram-panjakana any Matsiatra ambony, tamin’ny alalan’Atoa Lehiben’ny Faritra ary nampanantena ny tsy maintsy handehanan’ny razana maika hamonjy ny tanidrazana, raha ny filazan'ny Radio Tsiry Fianarantsoa. Nanome ny voatsirambin’ny tanana ihany koa ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina. Tsy nitazam-potsiny ihany koa ny fiaraha-monina manodidina.
Nangonin'i Pati
Légende : Niantona teto tahaka izao foana ity fiara ity sy ny razana !
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

tovolahy iray sakaizany…

Card image cap