natao « AMI » ho an'ny rehetra"
Namaly ny resabe sy fanenjehana samihafa ezahana aparitaka amin'izao fotoana izao ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa METFP tarihin'ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry, mikasika ny fandraisana ho mpiasam-panjakana. Tratry ny fanenjehana manokana mihitsy ity Minisitra ity. Rehefa nanontaniana mikasika ity toe-javatra ity moa ny tenany, dia nilaza fa efa nisy "recrutement" natao ampahibemaso ho an’ny 250 vacataires Ranoray" ny volana jolay lasa teo, ary mbola hisy ny taona 2027. Natao Recrutement par AMI “Appel à manifestation d’intérêt” izany hoe nisokatra ho an'ny rehetra izay nahafeno fepetra ilay izy noho ny filana satria misy maro ny "matières" na tanja nampidirina, maro ireo CFP (Centre de Formation Professionnelle) naverina nosokafana, sy vaovao nosokafana, ny fampandehanana ny lafiny ara-panjakana na “administration” eny amin’ny faritra rehetra,... Firy taona nifandimby, ny METFP no nanao peta-drindrina na "affichage" momba ny lisitra dia manararaotra daholo ny mpanakorontana. Marihana ihany koa fa nisy BIANCO hatrany sy kaomisionina, ary teo ihany koa ireo solontena samihafa (Sendika, solontenan'ny Ministera,...). Betsaka, hoy ny fanazavana, ny nanao fangatahana na "demande" satria 8 500 teo ho eo, kanefa tena vitsy ny noraisina noho ny "poste budgétaire" azo aloha.
BETSAKA NY ASA VITA TAO ANATIN’NY 6 VOLANA
"Ny eto moa dia izay miasa sy vonona hanao mangarahara ihany no henjehina! Jereo ny asa vitan’ny Ministera tao anatin’izay 6 volana izay" hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Anisan'ireny ny "indemnité de craie" an'ny mpampianatra ary "indemnité d’appui" an'ny mpandraharaha 250 000Ariary. 4 taona tsy nisy "recrutement" teo amin’ity Ministera ity, izao efa nisy ny "250 postes" efa nomena, mbola hisy ny manaraka ary mbola misy nangatahina ho amin’ny taona 2027. Efa miezaka ny Fanjakana sy ny Minisitra amin’ny handraisana ny mpampianatra «vacataires » sy ny mpandraharaha « bénévoles » izay manaraka fitsipika sy manana fitondran-tena maontina, raha ny fanamarihana. Nisy ny fanavaozana teo anivon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Maro ny CFP sy LTP nosokafana. Maro ny fampitaovana vaovao nomena azy ireo. Betsaka ny mpiara miombon’antoka mahatsapa ny fiovana ka tonga manantona vonona hiara hiasa. Tamin’ity taona ity vao nandray anjara tao anatin’ny lalao « sport scolaire » ny METFP izay ny MEN sy ny MJS ihany hatramin’izay – nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpianatra manerana ny Nosy,... "Ny mampalahelo dia ny zavatra tsara vita tsy misy miteny fa ny fanaratsiana nefa dia tonga dia miparitaka sy aparitaka. Tokony tsy hanaiky lalaovina amporisihan'ny mpanao politika ireo mpampianatra « vacataires » sy « bénévoles », hoy hatrany ny METFP tarihin'ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Betsaka ny ezaka tokony hataon’ny Fitondrana sy isika mpanabe ary isika Ray aman-dReny fa mila ampianarina isika Malagasy indrindra ny tanora mba hahay handinika sy handanjalanja ny vaovao ampitaina eto amin’ny tambazotra, izay mivadika fankahalana.
Toky R