airtel

Actualités

01-sept-2022

Actualités

Regis Ramamonjisoa "Miha manahirana ilay hoe fifandonan'ny samy Malagasy"

Sample post image

Miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo mpiray tanindrazana manoloana ny zava-misy, hoy ny mpanao politika sady birao eo anivon’ny antoko politika GFFM, Regis Ramamonjisoa,

01-sept-2022

satria dia mangidy tokoa amin’ny malagasy, indrindra, amin’ny maha olombelona, izany hoe mamoy Havana, iraitampoho anaty fotoana fohy ary amin’ny tsy noheritreretin’ny saina. Mirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviana rehetra miaritra izao zava-tsarotra sy mangidy izao, hoy izy. Mirary fahasitranana ireo mbola tsaboina koa. Anaty vanim-potoana sarotra ny firenena ankehitriny. Miatrika olana ara-tsosialy toy ny fiakaran’ny vidim-piainana sy fiatrehan’ny ray aman-dreny ny fidiran’ny mpianatra nefa mitranga ny toy izao. Very fanahy mbola velona ny vahoaka malagasy hoe mankaiza marina moa izany ny fiainam-pirenena raha izao no mitohy ka tsy misy fandraisana andraikitra ho an’ny tsirairay? Misy andraikitra sy lesona tokony ho raisin’ny tsirairay manoloana izao ankehitriny izao na ny tranga tany aloha. Raha tsy hijery iny tany Ikongo iny fotsiny izao dia mampametra-panontaniana ihany hoe tsy maintsy niroso tamina fitifirana na fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana ve? Ny hetra alohantsika vahoaka malagasy no andoavana ny karaman’ny mpitandro filaminana fa aza adino! Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ireo. Ekena fa tany tan-dalana ny firenena fa tsy mety ve ny namoahana ilay olona miisa 4 izay nangatahan’ilay vahoaka dia niroso tany amin’ny fifampidinihana? Tsy azo ekena tokoa ny fitsaram-bahoaka fa hoy ny ohabolana hoe tany misy olobe tsy miady zaza. Tsy hoe hampianatra ny mpitandro filaminana ny asany fa tokony efa mba nisy drafitra matipaika kosa hoe raha izao no mitranga dia izao no tokony atao satria tsy sambany izao no nisy vahoaka nirohitra ho any amina toby na andrim-panjakana. Ny namoy ilay olona miisa 4 izay fantatra fa olon-dratsy sy mpamono olona ve no nety sa izao nanao sorona olona miisa 20 mahery ho azy ireo izao? Miha manahirana ilay endrika fifandonan’ny samy malagasy, hoy hatrany ny tenany, satria raha izao no mitohy fa mbola tsy misy samy haka lesona isika dia ho sanahirana eto isika.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap