Niparitaka ny filazam-baovao sy resabe omaly fa tafiditra ao anatin’ireo olo-manan-kaja nasain’ny FFKM amin’ny fanombohana ofisialy anio eny amin’ny CCI Ivato tokoa ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo filoha teo aloha hafa. Vaky ny adihevitra samihafa hoe : hodian-tsy hita ve izany habibiana sy heloka bevava nataon’ity Filoha teo aloha ity nialohan’ny nitsoahany ? Hodian-tsy hita ny fahapotehana nateraky ny fitantanana gaboraraka, ny kolikoly avo lenta,… niteraka fanapahan-kevitra hamoaka fanenjehana iraisam-pirenena hatramin’ny faran’ny taona ? « Izahay Filohampiangonana 4 mirahalahy dia tsy mahalala ary tsy nanasa ary tsy ambadiky ny fanaparitahana ny fanasana ny Filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina hanatrika sy handray anjara amin’ny Dinika Nasionaly kasaina hatao eto Madagasikara rahampitso. Manamarina sy manamafy hatrany izahay fa tsy avy aminay ireo filazana, sary, na hafatra miparitaka eny anivon’ny tambajotrantserasera miresaka ny fandraisan’ny Filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina anjara amin’ity hetsika ity. Koa dia tsaho sy vaovao tsy mitombina ireo rehetra ireo », hoy ny Filohan’ny FLM Dr Rakotozafy Dénis. Ny teo anivon’ny governemanta tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny Minisitra Gascar Fenosoa no nitondra fanambarana omaly alina, fa mpikambana tsotra ao amin’ny Biraon’ny FFKM no nandefa ny fanasana ho an’i Andry Rajoelina tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Tsy marina ny Filazana fa hisy ny fanasana manokana ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina ho avy eto Madagasikara rahampitso, na ny finiavana hanasa azy ao anatin’ny « Concertation nationale » izay kasain’ny vahoaka Malagasy hatao eto Madagasikara, hoy ny Governemanta. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpitarika 4 miralahy ao anatin’ny FFKM, hoy izy, dia mazava fa tsy avy amin’izy 4 mirahalahy fa olona iray mpikambana mandrafitra ny Birao FFKM no nanana finiavana sy fikasana avy amin’ny tenany manokana izany resaka fanasana an’i Andry Rajoelina hody eto an-tanindrazana. Misy mpamadika sy te haningana ao amin’ny Biraon’ny FFKM ? Notsiahivina fa nisy ny tolom-bahoaka nanerana an’i Madagasikara, hatrany ivelany tamin’ny alalan’ireo diaspora, nanalana an’i Andry Rajoelina sy ny forongony, ka tsy ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izany velively ny manam-piniavana hamerina izany eto an-tanindrazana sy hampandray azy amin’ny « concertation nationale ». Diso tanteraka ary lainga ny filazana fa hiverina eto Madagasikara i Andry Rajoelina na hampandray anjara azy amin’ny fikaonandoham-pirenena satria mifanipaka tanteraka amin’ny lalan-tsaina sy soatoavin’ny tolona. Nilatsaka ny baiko ho an’ny OMC hamerenena ny andrimasom-pokonolona sy hisamborana ireo mpanakorontana, toy ny fanimban-javatra tahaka ny fatson-drano teny Ilafy, andrin-jiro tany Itasy,…
TSY SAHY HODY ETO SATRIA NANAO NY TSY NETY…
Tsara raha havahana tsara angamba ny Filazan’ny governemanta fa tsy manam-piniavana hamerina an’i Andry Rajoelina satria amin’ny resaka fikaonandoham-pirenena sy fandraisana anjara ara-politika io no mety mitombina, fa raha ny marimarina kokoa tokony haverina sy hotsaraina eto izy noho ny heloka nataony, araka ny efa nambaran’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Na tena nasaina aza, sarotra ny hino fa tena ho sahy hiverina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao i Andry Rajoelina, raha tsy hoe : misy fifanarahana politika avo lenta angaha ka hananany antoka fa tsy hisy fisamborana sy fitsarana azy. Fa raha mihevitra ny tenany ho madio sy marina ihany koa i Andry Rajoelina, dia sahy miditra eto sy miatrika ny raharaha momba azy, fa tsy nitsoaka any ivelany velively
HANETSIKA IREO OLONY…
. Ny mety hitranga dia hiezaka hampiady sisika ny ekipany ao, mba hanehoana fa eo sy manana ny tanjany ny volomboasary, toy ny natao teny amin’ny 13 mey ny 25 oktobra nifandrify tamin’ny fisian’ny iraky ny Vondrona Afrikanina. Sary efa nitranga ihany koa tamin’ny volana oktobra 2014 izay nahatongavan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto 5 taona taorian’ny naha sesin-tany azy, tao anaty dinika politika notarihin’ny FFKM ; Vao tonga teto dia nosamborina sy nogadraina tany Antsiranana, avy eo nanatrika ny dinik’ireo filoha, ary nitsahatra ny fitazonana. Mety misy mikasa hamerina an’io sary politika io ve ka niketrika an’iny resaka fanasana an’i Andry Rajoelina nitsapana ny halalin’ny rano? Andrasana izany izay ho endriky ny fikaonandoham-pirenena, fa nasaina handray anjara avokoa ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, anisan’izany ny mpisehatra avy amin’ny fanoherana, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa. Fanokafana ihany anefa, fa mbola misy ireo pitsopitsony samihafa.
Toky R