airtel

Actualités

24-mai-2023

Actualités

Resaka miralenta Mpanao gazety am-polony indray no nahazo fiofanana omaly

Sample post image

Mpanao gazety am-polony indray omaly no nomen’ny ONG C for C fiofanana teny amin’ny ASA Andrainarivo.

24-mai-2023

Nohamafisina nandritra izany ny tokony hivoizana sy hampiharana hatrany ny resaka miralenta eny anivon’ny fiaraha-monina izay nambaran-dRtoa Taitsy Hangeseva, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity ONG iray ity fa efa manomboka maharesy lahatra mpanao gazety maro. Raha tsiahivina kely ny hatao hoe : genre dia fahasamihafana napetraky ny fiaraha-monina mahakasika ny lahy sy ny vavy. Anisan’ireny ohatra ny filazana hatrany fa fanaka malemy ny vehivavy, tsy mahazo miasa, manao raharaha foana rehefa ao an-trano sy ny hoe : tsy maintsy tompoina ny lehilahy, ireto farany foana no manapa-kevitra ao an-tokantrano, tsy tokony hanao raharaha izy ireny…. Ezahina foanana mihitsy izany mba ho tombontsoan’ny firenena ho an’ny ONG C for C. Mampiakatra avy hatrany ny fiharin-karena mantsy ny fahafahan’ny vehivavy miasa sy mampidi-bola ao an-tokantrano. Toraka izany koa ny fandraisany andraikitra amin’ny raharaham-pirenena fa tsy voatery ho an’ny lehilahy foana…. Efa in-telo niatrika fiofanana tahaka izao moa ireto mpanao gazety am-polony ireto ary efa saika hita taratra amin’ny lahasoratra soratany na ny vaovao havoakany avokoa izany fanajana sy fampiharana ny miralenta eny anivon’ny fiaraha-monina izany.

Pati

Legende : Nandritra ny fiofanana natrehin’ireo mpanao gazety teny Andrainarivo omaly

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap