airtel

Actualités

15-janv-2026

Rivellino Ravelomahazo

«Io rafitra fampitrosàna

Sample post image

mahazatran’ny mpamatsy vola io no tokony fehezina!»

15-janv-2026

Misy izao ny fiovan-drafitra lehibe eo amin’ny jeopolitika manerantany, hoy ny mpamakafaka politika eo anivon’ny JPRM na «Jeune patriote républicain de Madagascar» na Tanora tia tanindrazana repoblikanina malagasy, Rivellino Ravelomahazo. Miha maro ireo olona matanjaka, hoy izy, ary lasa mivaky tandrefana sy tatsinanana indray izao ny resaka politika eto Madagasikara sy manerantany. Maromaro ny ady miseho sy firenena miha matanjaka. Ny BRICS koa izao lasa manana ny maha izy azy. Izany rehetra izany miampy ny amerikanina, rosianina, frantsay, japoney, sinoa dia mitaky ilay antsoina hoe lamina vaovao manerantany na «nouvelle ordre mondial». Na io firafitry ny rafitra iraisampirenena toy ny ONU na firenena mikambana io aza tokony efa hojerena koa hoe toy ny ahoana ny mpikambana maharitry ny filankevitry ny fandriampahalemana ao? Tokony jerena koa ny fifandraisan’ny vondrona eoropeanina amin’i Afrika satria lasa fifanarahana samy mahazo na «gagnant gagnant» no hetahetan’ireo zanatany taloha na afrikanina manoloana ny ampihimamban’ireo mpanjanaka taloha. Mitodika amin’ny fampandrosoana politika sy ekonomika ho azy izao ny afrikanina sy ireo nantsoina hoe «1/3 monde» taloha. Mirongatra ny fironana «non alignement» na tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa fa miandry kosa izay mifanaraka ara-barotra na ara stratejika, diplaomatika, politika ny firenena tsirairay. Isany i Madagasikara izay rehefa zohiana dia manana tantara iombonana amin’i Frantsa, Etazonia, Rosia. Ny zava-dehibe amin’ny fifanarahana ara-barotra, dia ny tolotra ataon’ny tatsinanana sy ny tamberinandraikitra na ao amin’ny fanjakàna izany na ny vahoaka dia azo tsapain-tanana mihoatra amin’ireo fampanantenana sy fanerena ataon’ny tandrefana amin’ny firenena toa an’i Madagasikara. Lasa tondrozotra ara-kintsiny ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa. Fampitomboana fiaraha-miasa amin’ireo firenena azo iaraha-miasa rehetra no lasa filàna. Mila mailo hatrany anefa satria tombontsoa no jerena anaty fiaraha-miasa fa tsy misy resaka firahalahiana izany. Io rafitra fampitrosàna mahazatra nampiasain’ny mpamatsy vola na firenena matanjaka io no tokony fehezina voalohany! Manana harena voajanahary i Madagasikara. Mila fehezina ireo ary azo trandrahana hivadika vola ho an’ny firenena ahafahana miahy ny filàna an-davan’andron’ny mponina. Mila izany ilay fitondràm-panjakàna manana haitarika sy fahaiza-mandresy lahatra ireo firenen-dehibe. Izay no tsy ampy taorian’ny 1972. Nivily tamin’ny resaka toerana sy fifanonganana teto fotsiny ilay izy. Lasa ady toerana no nisongadina fa tsy adim-pampandrosoana nefa i Madagasikara no ambara ho sompitry ny ranomasimbe indianina na «Carrefour de l’océan indien», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap