airtel

Actualités

16-févr-2022

Actualités

Rivodoza Dumako Mitondra rotsak’orana matevina any avaratra atsinanana

Sample post image

Niditra an-tanety tao Soanierana Ivongo omaly tamin’ny 03 ora tolakandro ny rivodoza DUMAKO. 75 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 km/ora.

16-févr-2022

Mikisaka miakandrefana somary avaratra andrefana izy ka mahafaka 15 km/ora. Nitarika orana mikija indrindra fa ho an’ny faritra Analanjirofo ity rivodoza ity, ary somary matevina ihany ny rotsak’orana (>160 mm).Mbola hihitatra amin’ny ilany atsinanan’i Sofia sy Alaotra izany, rah any fannazavana avy amin’ny sampandrahaaha mpamanatra ny toetr’andro.Rehefa tafiditra an-tanety i DUMAKO dia somary nihena kely ny heriny omaly hariva; tamin’ny fibeny tao Soanierana Ivongo ohatra dia 65 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 90 km/ora. Mbola mizotra miakandrefana ihany izy ka mahafaka 13 km/ora. Mihatra ho an’ny faritra Analanjirofo ny loza mitatao miloko mena ary loza manambana miloko mavo kosa i Andapa, Antalaha, Toamasina I-II, Bealanana, Befandriana avaratra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Brickaville.

RTT
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap