amin’ity taona vaovao 2024 ity raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Nahatratra 3 hatramin’ny 4 kosa anefa izany tamin’ny taon-dasa izay nifarana ny volana Martsa taona 2023. Efa afaka aloha izany isika eto Madagasikara hoy hatrany izy ireo satria efa lasa i Alvaro. Na izany aza nahatratra 19 isa ireo aina nafoy vokatry ny fandalovany ka ny folo tamin’ireo dia tany amin’ny distrikan’Ikongo izay lasibatra vokatry ny rivo-mahery sy ny ranobe avokoa. Tafakatra 32.000 kosa ireo traboina izay efa saika nahazo ny anjara fanampiana ho azy ny ankamaroany. Marihina moa fa efa misy rivo-doza arahi-maso fatratra sahady any amin’ny ranomasimbe Indiana hatramin’ny omaly. Anio Alakamisy 10 Janoary araka izany vao ho fantatra na ho voakasika isika eto Madagasikara na tsia.
Pati
Legende : Tsy ho betsaka ny rivo-doza handalo eto Madagasikara !