airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

Rivodoza Jasmine Manodidina ny 500 km andrefan’i Maintirano

Sample post image

Nahazo anarana hoe JASMINE ilay tangoron-drahona narahina maso tao avaratry ny nosy, izany hoe nivadika rivodoza,

25-avril-2022

araka ny fanomezam-baovaon’ny Météo Madagascar omaly alahady. Manohy ny diany mianatsimo i Jasmine ka mahafaka 11km/ora. Omaly 24 aprily tamin’ny 3ora tolakandro, tany amin’ny 532km andrefan’i Maintirano no nisy foibeny. 80 Km /ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra 11o Km/ora . Voafetra ny velaran’ity rivodoza ity ka saika any an-dranomasina avokoa ny rivotra mafy sy orana mikija, ary ny alon-drano vaventy miaraka aminy. Na izany aza dia saika hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka andrefana rehetra hatramin’ny rahampitso talata, hoy ny fampitam-baovao. Entanina araka izany ny mpampiasa lakana madinika mba hitandrina mafy na tsy hiandriaka mba hisorohana ny loza, araka ny toromarika.Tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ity rivodoza ity. Mafana kokoa ny ranomasina any amin’iny tapany misy an’ity rivodoza Jasmine ity, ka lojika ny tsy dia hisian’ny rivodoza mahery vaika avy any. Tsy azo atao kosa ny mivoaka an-dranomasina ho an'ireo mpanjono madinika mandram-pahalasa ny loza. Entanina isika mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. Arahi-maso akaiky kosa ny fivoarany ato anatin’ny andro vitsy ho avy, hoy hatrany ny Météo Madagascar.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap