airtel

Actualités

27-oct-2025

RN3 A- TETEZAN'ANDILAMENA

Tapaka, maizina koa ny tanana

Sample post image

Tapaka tanteraka ny tetezana miazo

27-oct-2025

ny distrikan' Andilamena any amin'ny lalam-pirenena 3 A. Nanomboka afak'omaly Sabotsy 25 Oktobra no nitrangan'izany. Vokany, mihitsoka tanteraka ny famatsiana ireo sakafo sy karazana kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro tokony hampiasain'ny mponina. Ankoatra izay hoy hatrany ny Solombavambahoaka voafidy any an-toerana dia tsy misy ihany koa ny lalana handehanan'ny kamiao mpitatitra solika izay tokony hamatsy herinaratra ny orinasa Jirama. Maizina tanteraka ny tanana noho izany, mitoka-monina ny tananan'Andilamena. Marihina moa fa efa nandefa kamiao miisa roa niakatra eto Antananarivo ny Solombavambahoaka mba haka pont bellier hanoloana io tetezana tapaka io. Mametraka olana indray anefa ny eo anivon'ny Ministera tompon'andraikitra raha araka ny fanazavany toy ny filazana fa tsy misy fitaovana mivoaka raha tsy misy Ministra vaovao voatendry. Tsy afaka hiandry izany anefa ny vahoakan'Andilamena hoy izy koa hanaovany antso avo amin'ireo tompon'andraikitra isan-tokony.
Pati
Légende : Tahaka izao no paozin'ilay tetezana nampiasaina hatramin'izay !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap