airtel

Actualités

10-nov-2025

Ron WEISS, Tale jeneralin’ny

JIRAMA Arakaraky ny vokatry « audit »

Sample post image

no hanapahan-kevitra momba azy

10-nov-2025

Manoloana ny fitokonan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny JIRAMA (SMJ), nisy ny fifampiresahana niarahan'izy ireo tamin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, RALITERA Ny Ando Jurice, ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fahadiovana, Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, ary ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Ron WEISS. Fifanantonana natao teny Ampandrianomby ny sabotsy 8 novambra 2025. Fihaonana natao indrindra mba handinihina ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA, izay mbola mitokona.
Nisy karazam-bahaolana nivoaka tamin’izany ka teo ohatra ny hoe : hisy ny fanoavana fitsirihana (audit) amin’ny fitantanana sy ny lafiny ara-bola, ka arakaraky ny valin’io no handraisana ny fanapahan-kevitra .Manarak’izay dia kendrena ny hanasiam-panitsiana eken’ny rehetra, ireo andalana mila marimaritra iraisana ao amin’ilay Sata mifehy ny JIRAMA ka hiova ho azy ny endriky ny filankevim-pitantanana rehefa mandeha ny fanitsiana. Nisy ny fitakiana ny mba hanatsarana ny lafiny sosialy nataon’ny mpiasa ka nambara fa omena araka izay azon’ny Orinasa JIRAMA atao, ny fahafaham-po amin’ny fangatahana.Momba ireo mpiasa nambara fa nampidirina am-ponja kosa dia andrasana avy amin’ny SMJ ireo laharana antotan-taratasy momba azy ireo. Hampitaina amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izany, mba ho dinihany lalina tsirairay, hijerena ny rariny sy hitsiny. Mazava ho azy moa fa taorian’ny diniky ny samy lehibe ny sabotsy teo dia tsy maintsy mbola hisy ihany ny fifampiresahana miaraka amin’ny solontenan’ny mpiasa, ka vahaolana mandamina no karohina fa tsy sanatria hampikorontana hoy ireto lehibe ireto.
Legende : Ron WEISS, teratany Israeliana, tale jeneralin’ny JIRAMA
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap