Rovan’i Madagasikara raha tsy nisy afa-tsy 50 isa teo aloha, raha araka ny fantatra. Saika manararaotra ny fialantsasatry ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao avokoa ny ankamaroan’ny olona, antony mahabetsaka azy hoy ny tompon’andraikitra. Ireo mpianatra noho izany no tena nampitombo isa ireo mpitsidika ka ankoatra ireo ankizy madinika dia misy ihany koa ireo efa manovo fahalalana eny amin’ny anjerimanontolo ka manao fikarohana. Miisa 150 isa isan’andro kosa ireo mpizahantany vahiny tonga mitsidika ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Nomarihin’ny tompon’andraikitra moa fa na dia nisy aza ny fanitsiana ny vidim-pidirana ao amin’ny Rovan’i Madagasikara dia tsy nahasakana ireo mpitsidika tsy ho avy izany. Ny 18 Jona lasa teo moa raha tsiahivina no niverina nisokatra ny Rovan’i Madagasikara taorian’ny asa fanamboarana natao taminy. Mila manana ora roa kosa ny mpitsidika iray vao mahavita mitety sy mijery ireo toerana misy ireo vakoka rehetra voatahiry ao amin’ity Rovan’i Madagasikara ity.
Pati Legende : Be mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara amin’izao !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa